Mahatsiaro ho voafitaka ka velon-taraina mafy ireo mpiara-dia tamin’ny kandida Lalatiana Rakotondrazafy hatrany am-piandohana,
tamin’ny niarahany amin’i Andry Rajoelina. Mba nanantena zava-baovao izahay noho izy tanora sady vehivavy saingy mitamberina ato an-tsainay ankehitriny ireo zava-nitranga tamin’ny 2009 tamin’ny fahitana teny an-tsehatry ny Coliseum ireo nitarika ny famotehana ny tanànan’Antananarivo tamin’ireny ka nahavery asa anay vokatry ny fikatonan’ny orinasa maro tamin’izany, hoy ny sasantsasany. Ny hafa indray dia tena nahitsy ny teniny, fa tsy sanatria maty eritreritra izahay ka hanankina ny hoavinay sy ny taranakay amin’olona manatevateva sy tsy manaja raiamandreny, toy ny nitranga teny amin’ny Episcopat tamin’ny 17 martsa 2009, nihatra tamin’ny pastera Lala Rasendrahasina. Ny vita aza nanenenana ka leom-boan’anana izahay, hoy izy ireo, enga anie ho lasan’ny tetezamita iny ny ratsy rehetra.
Ra-Bri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.