Ny tantara tsy fanadino,hoy ny fomba fiteny izay.Fony izy mbola mpanao gazety niara-niasa akaiky tamin’i Andry Rajoelina dia anisan’ireo olona nihogahoga sy nanao vava be ary nikasi-tanana mihitsy ny mpitandrina Lala Rasendrahasina filohan’ny birao foiben’ny Fjkm ary filoha am-perinasan’ny
FFKM amin’izao fotoana teny amin’ny Episcopat Antanimena tamin’ny 17 martsa 2009 Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy izay kandida ben’ny tanàna ankehitriny.Hitam-poko hitam-pirenena tamin’ny alalan’ny rakin-tsary misy feo azo atao porofo tsara ao amin’ny https://www.youtube.com/watch?v=Rl0_MG1Yz_I io fihetsika mamoehatra faniratsirana ray aman-dreny am-panahy io.Tsy iza fa dia i Lalatiana Rakotondrazafy ilay vehivavy manao akanjo maitso hita amin’io horonan-tsary io, nanenjika ny mpitandrina Lala Rasendrahasina hatreny amin’ny fiara 4x4 pick-up fotsy nitondrana azy ary nikasi-tanana azy.Olona manana toetra tahaka izany sy tsy mahafehy ny fihetsem-pony ve no omena fahefana hitantana ny renivohitr’i Madagasikara ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.