Nahatsikaritra lesoka sy tsy fahatomombanana maro tamin’ny fizotran’ny fifidianana kaominaly ny kandida Lalatiana Rakotondrazafy
. Nanatona sy nangataka fanazavana avy amin’ny tompon’andraikitra ao amin’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana mandritra ny tetezamita avy hatrany moa ny fikambanana Freedom, araka ny tafa fohy nataony tamin’ny mpanao gazety nandritra ny fandatsaham-bato nataony teny amin’ny EPP Vohibola omaly. Tsy mendrika ny mety fisian’ny karazana hala-bato amin’izao fifidianana izao, hoy izy. Nitondra ireo tsy fahalavorariana hitan’ny fikambanana tamin’ny solontenan’ny Pnud sy ny Vondrona afrikanina ihany koa moa ity kandida ben’ny tanàna ity. Manantena sy mahatoky ny fitondram-panjakana amin’ny famoahana ny tena safidin’ny olom-pirenena hisorohana ny korontana sy ho fametrahana ny fitoniana eto amin’ny firenena ny tenany, araka ny nambarany.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.