Araka ny fotoana efa nomeny ny vahoaka dia nitety faritra maro teto an-drenivohitra indray omaly Rtoa Lalao Ravalomanana-kandida laharana faha 6 ka nihaona mivantana tamin’ny vahoaka teny amin’ny boriborin-tany faha-5 omaly.
« Manarina aloha isika, dia miasa, dia mifampitsinjo. Manana traikefa isika amin'ny fitadiavana mpamatsy vola hiarahana miasa. Saingy averina ihany, mila "discipline" isika. Raha baranahiny dia tsy handroso ny tanàna » hoy i Neny nandritra ny fandalovany tao Ankadindramamy. Nambaran'i Neny fa mijoro ho maodely izy, mitarika ho fanantenana. Nilaza izy fa hiezaka hamerina ny jiro ao amin'ny boriborintany faha-5, hanamboatra ny tsena, ny bassin fanasan-damba sy ny lalan-kely. Heveriny ihany koa fa ilaina ny hanangànana kianjan'ny baolina kitra sy rugby ao an-toerana raha lany izy. Anisan’ny toerana nandalovan’i Neny ihany koa Ambatomaro, Ambatomainty, Mahazo, Andraisoro, Ampanotokana, Tsarahonenana ary Manjakaray. Nanambara kosa ireo mpiara-miasa akaiky eo anivon’ny antoko TIM fa tsy hamaly ny fihantsiana isan-karazany na oviana na oviana i Neny. « Asa ny azy fa tsy kabary », hoy izy ireo.Anio alakamisy kosa Rtoa Lalao Ravalomanana dia hitsidika ny eny amin’ny boriborin-tany faha-6: FJKM Ambatolampy, Bassin Ambatolampy, Terrain Foot , Avaratanana, Fiherezana, Ankeniheny, Avaratetezana , Bassin, Ambodimita, Tany Malalaka , Galana Anosisoa, Lovanavela, Ambodihady, Ambohimitsinjo, Jesosy Mamonjy, Ambodivona, FJKM Ambohimanandray, Pharmacie, Antanety Antodiana, Ambohimandroso, Madera, Anosivavaka, Amorona, Kianja HERJEE.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.