Ambatolampy Avaratanana, Andranomena , Ambatolampy Antehiroka, Ambohimanandray, Ambodimita,
Ambodihady sy Ambohimanarina ary Ambodivoronkely no anisan’ny tanàna nandalovan’ny kandidana’ny TIM eto an-drenivohitra Lalao Ravalomanana omaly alakamisy. Betsaka ny tetikasa hotanterahina eny amin’ny boriboritany faha-6 hoy i Neny, ohatra amin’izany ny fanohizana ny fanamboaran-dalana izay efa natao nandritra ny fotoana nitondràn’ny antoko TIM ny firenena . Hazavaina ny tanàna mba hisian' ny fandriam-pahalemana satria maro ireo andrin-jiro no tsy mirehitra intsony ka manararaotra ireo mpanao ratsy. Atsangana ihany koa ny dispensera vaovao ho fitsinjovana ny besinimaro. « Hitako ny olana mianjady aminareo ary sahy mijoro aho hitondra ny vahaolana » hoy i Neny. Mahatoky an’i Neny Ravalomanana fa hahavita hanatsara sy hanavao an’Antananarivo ireo vahoaka maro be nihaona taminy teny amin’ny boriboritany faha-6 omaly ary dia re tetsy sy teroa ny hoe: "Neny no tena milay, Neny no hofidinay", Nanamafy izy fa tokony ho saro-piaro amin’ny safidiny ny olon-drehetra ary hanara-maso akaiky ny fizotry ny fifidianana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.