Kand ida heverin’ny ma ro fa matanjaka ary ho lasa ben’ny tanŕnan’Antananarivo afaka andro vitsy Rtoa Lalao Ravalomanana izay natolotry ny Tiako i Madagasikara.Tsy maintsy anto-dresaka eny rehetra eny :amin’ny gazety sy ny haino aman-jery , any anaty fiara fitateram-bahoaka, any am-piasana, any anaty fihaonana sy fivoriana isan-tsokajiny ny momba azy.
Niresaka taminy omaly ny Gazety Tia Tanindrazana, ary dia nilaza mazava ny foto-kevitra ijoroany sy ny asa maika tsy maintsy hataony rahatrizay ben’ny tanàna i Neny.Araho ny tafa sy dinika nifanaovana taminy.
Tia Tanindrazana (T.T) : Miarahaba anao tompoko, misaotra anao manaiky mivahiny teo amin’ny Tia Tanindrazana.Mamarana ny fampielezan-kevitra isika izao, Fokontany firy teto an-drenivohitra no voatsidikao, ary inona ny zavatra tena nanamarika indrindra anao?
Lalao Ravalomanana (Neny) : Saika voatetiko avokoa ny Fokontany rehetra teto Antananarivo. Ny zavatra nanamarika ahy indrindra dia ny fitotongan’ny endriky ny tanàna sy ny fahantran’ny mponina amin’ny faritra maro. Teo koa ny fahasimban’ny foto-drafitrasa izay nanana ny naha izy azy teo aloha, saingy indrisy fa potika. Na io lalan-kely, na io tetezan-kely, sy ny sisa. Nanamarika ahy koa ny fijerin’ny olona mila fanampiana sy tolo-tanana hanovany ny fiainany. Mahaontsa kanefa tsy maintsy mijoro isika.
SARY:Notsidihan’i Neny ny fokontany rehetra teto Iarivo, goavana ny asa miandry
“Tsy ny kandida no mila resena lahatra fa ny vahoaka”
T.T : Hanakianan’ny kandida sasany anao ny tsy fandraisanao anjara tamin’ny adihevitr’ireo kandida, inona no azonao ambara momba izay tompoko ?
Neny : Mahasarika ahy kokoa ny miady hevitra amin’ireo vahoaka eny amin’ny kartie eto an-dRenivohitra. Raha heverina fa ilaina ny hevitry ny kandidà hafa dia tsy maninona izany fa mety mahatsara zavatra. Fa ny ahy manokana dia ny hevitry ny vahoaka aloha no lohalaharana. Tsy ny kandidà rahateo no mila resena lahatra mivantana fa ireo mponina izay hifidy ny tena.
T.T : Re matetika tamin’ny propagandinao ny hoe : tena hiasa isika ary mahita famatsiam-bola. Azonao ambara ve hoe : famatsiam-bola tahaka ny ahoana ary avy aiza marina izy ireo ?
Neny : Tena mila vola ny fanarenana an’Antananarivo. Hiasa mafy isika. Ny tsy vitantsika dia hitadiavana famatsiam-bola na eto an-toerana na avy any ivelany. Efa misy ireo tetikasa famatsiam-bola efa azontsika, saingy votsotra noho ny zava-nitranga teto amin’ny Firenena. Hanampy ahy betsaka ny traikefan’ny Ben’ny Tanàna teo aloha sady Filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana. Tsy maintsy mametraka ny tsara tantana, ny mangaraharaha, ary ny fahamarinana isika amin’ny fitantanana an’Antananarivo.
T.T : Ka eo indrindra isika izao: milaza fa hanampy anao i Marc Ravalomanana vadinao , sao dia izy tompoko no tena hitantana ny tanàna fa tsy ianao ?
Neny : Manana tombony aho raha oharina amin’ny mpifaninana amiko hafa. Izaho dia vadina Ben’ny Tanàna teo aloha sady Filoham-pirenena teo aloha, izay nahavita be tokoa. Tombony be izany. Izay tolo-kevitra avy amin’ny olon-kafa avy any ivelany sy avy eto an-toerana aza moa ilaina sy raisina, mainka ve fa izay mety ho tolo-kevitry ny Ben’ny tanàna sady Filoham-pirenena teo aloha? Tsy izay hampandroso an’Antananarivo ve no katsahina?
SARY:Mifanohana sy Mifanampy hatrany izy mivady
“Fanarenana aloha ,izay vao asa goavana”
T.T : Maloto Antananarivo, mikorontana ny tsena, misavoritaka ny fifamoivoizana, potika ny arabe. Inona no tena laharampahamehana sy asa maika ho anao raha ianao no voafidy ho Ben’ny tanàna?
Neny : Misy dingana ange ny paikadintsika. Ny fanarenana aloha, izay vao ny asa goavana. Arenina ny fandriampahalemana amin’ny alalan’ny fepetra maro samihafa sy asa mety azo atao avy hatrany. Ohatra, ny mijery izay lalana hahatongavana amin’ny fampirehetana ny andrin-jiro hanome hazavana. Fa avy eo kosa dia mijery ny asa goavana: làlana, fanitarana ny tanàna, sns. Ny mibaiko ny fandaharanasa dia ireto : mila fitarihana hentitra (leadership), mila fifampitsinjovana, mila fiaraha-miasa amin’ny mpamatsy vola ary mila fitantanana mangaraharaha sady anaty fahamarinana. Apetraka koa ny fepetra isan-karazany hahazoan’ny mpandraharaha manao ny asany an-kahalalahana. Hanampy amin’izany fametrahana fepetra izany ny Kaominina.
T.T : Maro be ny tanora eto an-drenivohitra. Raha ianao no Ben’ny tanàna inona no atolotrao ho fitaizana azy ireo ho lasa olom-banona sy olom-pirenena tompon’andraikitra ?
Neny : Ho an’ireo mbola kely taona dia hovelomina sy hatsaraina ny “cantine scolaire”. Hoezahin’ny Tanàna ny hanome “kit scolaire” izay efa nampahalaza antsika hatramin’izay, hotohanana ny sekoly fa dia misy amin’izy ireny tena ratsy endrika. Fa ho an’ireo tanora kosa, hatsangana ny foibem-panatanjahantena sy fialamboly izay tena tsy ampy tokoa eto an-dRenivohitra. Hodinihina ny tetikasa fametrahana foiben’ny Internet eny amin’ireo kartie somary sahirana mba hampitombo fahalalàna an’ireo tanorantsika, atsangana ny foibe fampiofanana mozika sy zavakanto eo anivon’ny Kaominina. Santionany ireo fa ny tanoran-tanàn-dehibe tahaka an’Antananarivo dia hijery sahady ny hoaviny anaty tanàna mendrika maha-te honina.
T.T : Ny hamehezanao ny resantsika teo sy ny hafatra ho an’ny vahoakan’Antananarivo tompoko
Neny : Nahita aho ary mahalala. Dia manolo-tena aho fa hahavita. Mila mpitarika matotra ity Renivohitra ity, mila mpitarika mitantana ao anaty mangarahara sy anaty fahamarianana. Mila misarika ny mpamatsy vola isika. Angadintsika io ! Isika dia manangana fa tsy mandrodana, manorina fa tsy mandrava. Koa vehivavy mijoro sahy mandray andraikitra aho, hijoro ho môdely, sahy manao fanamby, sahy miroboka amin’ny fanarenana an’Antananarivo. Raha miaraka isika dia tafitantsika Antananarivo. Vonona aho ary ho vanona isika. Tongava kosa aloha mifidy satria izay no finoana arahina asa. Tongava mifidy fa tena zava-dehibe io mba tsy hanenenana.
SARY:Lalao Ravalomanana,sahy manao fanamby hanarina an’Antananarivo
T.T : Misaotra indrindra Tompoko
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.