Nitsidika ny Trano manga Ampasanimalo, Boriborintany Faharoa Rtoa Lalao Ravalomanana ny sabotsy lasa teo ary nizara sakafo sy bodofotsy ho an’ny olona 400, zokiolona, ankizy, amin’izao vanim-potoan’ny ririnina izao.
Nandritra izany no nilazany fa ilaina ny fijerena ny vahoaka akaiky, mihaino azy, ka mijery izay mahasoa azy. Nambarany fa fifampitondrana izao ka ao anatin’izany no mampisy ny fifanoroana, fampianarana, fifampihainoana, fanofanana, fifampitaizana, fifanajana, fandraisana andraikitra. “Mila miray hina, mampiseho firaisan-tsaina isika”, hoy i Neny. Ny fifampifehezana (discipline) dia tsy jadona satria ifanarahana. Ilaina izany mba handrindrana sy handaminana ny fiarahamonina sy ny fomba fiasa ka tanjona ny “vahoaka mivoatra mankany amin’ny fiainana tsara, mahay mifamonjy amin’izay mahasoa”. Nanteriny koa fa “tsy izay tian’ny vahoaka no atao fa izay mahasoa azy”. Tsy olon’ny kobaka am-bava sy ny fampandriana adrisa i Neny Lalao Ravalomanana fa mahitsy lalandava amin’ny zavatra ataony. Efa hita taratra fa ho hentitra amin’ny fitantanana izy raha toa ka voafidy ho ben’ny tanàna satria maro ny zavatra mila ahitsy. Atao izany ho an’ny tombontsoan’ny tanàna sy ny mponina ao aminy.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.