Politique

Lalao Ravalomanana Hanorina trano sy foto-drafitrasa


  • Alatsinainy 20 Jolay 2015

“Asa fa tsy kabary, ary tsy vonona fotsiny fa tena mahavita Lalao Ravalomanana” izy no ambeti-tenin’ireo mpanara-dia an’i Neny sy ireo mpiara-dia amin’ny TIM ka voizin’izy ireo mandritra ity fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana kaominaly ity.

Trano sy fotodrafitrasa

Efa manana vahaolana hampivoarana ny tanànan’Antananarivo renivohitra sy hanatsarana ny fiainanan’ny mponina ao aminy Rtoa Lalao Ravalomanana.Ka anisan’ny tena misongadina sy nisarika ny sain’ny mpanara-baovao ao anatin’ireo teboka 6 lehibe amin’ny fandaharanasany ny fanorenana trano mahatehotia ;iaraha-mahalala fa maro ny olona mbola miaina amin trano tsizarozary eto an-drenivohitra, ao mihitsy aza ireo tsy manan-kialofana ka matory eny amoron-dalana, na eny ambany tetezana sy any anaty tonelina.Anatin’ny fandaharanasan’ny kandida laharana faha 6 ihany koa ny fananganana ivontoerana fialamboly sy fanatanjahantena ho an’ny tanora sy ny ankizy isaky ny boriboritany.Efa nandinika tsara vao nanapa-kevitra ny ho kandida i Lalao Ravalomanana ary efa narafitra mialoha ny zavatra ho atony torian’ny fandinihana ny zava-misy sy ny fahasahiranan’ny olona eto an-drenivohitra.Asa fa tsy kabary ny azy ary efa vonona ny hananganana ireo foto-drafitrasa ireo fa dia minry azy ho voafidy ben’ny tanàna amin’ny fomba ofisialy sisa.

Arovy ny safidy

Mitety ireo fokontany sy elakelan-trano ary ny toerana rehetra eto Antananarivo hahafahany mitafa mivantana amin’ny vahoaka i Neny ka ny sabotsy teo dia teny

 Tsarafaritra Tsimbazaza, Ankadilalana, Mahamasina, Ampahamarinana, Fort-Voyron, Mananjara, Fiadanana Maritiora, Soanierana, Ankaditoho, Tsimbazaza, Anosibe, Paraky Soanierana izy  ka nandritra izany no nanentanany ny olona nanao hoe :   « zonao, zontsika ny mifidy ka andeha hefao ny adidy. Ary alaivo sary avokoa ny fitanana an-tsoratra ( PV) sy ny voka-pifidianana hisorohana ny mety ho teti-dratsin’ny hafa”.Anio alatsinainy 20 jolay Rtoa Lalao Ravalomanana manomboka amin’ny 7 ora sy sasany maraina dia hitsidika indray ny eny Ambohipotsy,Andohamandry, Manjakamiadana Andafiavaratra, Miandrarivo,Ambanidia,Volosarika, Ambohimiandra,Morarano,Ampamantanana.Ny tolakandro kosa dia ho eny Androndra,Aampody,Ambolokandrina,  ary ho faranana amin’ny hetsika goavana eny Ambohipo ny propagandin’i Lalao Ravalomanana.

 


RTT

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT