Vao andro voalohany fanokafana ny fampielezan-kevitra fifidianana kaominaly dia efa feno ohatry ny atody, araka ny fomba fiteny ny kianjan’ny Finoana Magro Behoririka omaly. Azo ambara tsy omby mihitsy ny toerana ka sahirana hatramin’ny fifamoivoizana teny amin’ny manodidina noho ny hamaroan’ny olona tonga nanohana ny kandida ben’ny tanŕna atolotry ny antoko matanjaka Tiako I Madagasikara Lalao Ravalomanana.
Fidio ny laharana faha-6 mba tsy hanenina
Tsy hiantsampy amin’ny olon-tsy fantatra intsony ny mponin’Antananarivo amin’ity indray mitoraka ity fa hisafidy kosa an’i Lalao Ravalomanana kandidan’ny TIM sady mahalala no mahay ary koa mahavita. Izy ilay laharana faha-6 hofidiana mba tsy hanenina, hoy ny horakoraky ny mpanohana marobe nanakoako teny Behoririka. Vehivavy sahy sy vonona tanteraka hanarina ny renivohitr’i Madagasikara tokoa mantsy no hita sy tsapa nanoloana ny mponin’Antananarivo tamin’ny fandraisam-pitenenana voalohany omaly. Resy lahatra sy babon’i Neny tanteraka ny fon’ny vahoakan’Antananarivo nifanitsa-kitro liana amin’ny fandaharanasa hoentiny hampandrosoana ireo boriboritany enina izay tena potika sy lavon’ny fahantrana lalim-paka.
Hanorina trano
Efa manana vahaolana entina hampivoatra ny vahoaka sy ny kaomininan’Antananarivo renivohitra ny kandida ben’ny Lalao Ravalomanana. Laharana faha-6 ny tenany amin’ny fifidianana ka miisa 6 toy izay ihany koa ny fandaharanasa fanarenana sy fampivoarana ahatonga ho modelin’ny fampandrosoana indray ny renivohitr’i Madagasikara. Voalohany ny maha-andriamanjaka ny vahoaka amin’ny fandrindrana ny fiaraha-monina miaraka amin’ny tokantrano milamina ary olona salama sy voky. Faharoa ny fitantanana mangarahara. Fahatelo ny fahadiovana sy ny filaminana. Fahaefatra ny asa ka goavana indrindra ny fanorenana trano mahatehotia. Fahadimy ny fampandrosoana maharitra mampalaza ny antoko TIM ka ho voajery ao ny tsena sy ny fisorohana ny tohana amin’ny fifamoivoizana. Fahaenina nefa tsy kely indrindra dia ny fanomezan-danja ny tanora sy ny ankizy. Tafiditra ao ny fananganana ivontoerana fialamboly sy fanatanjahantena hoan’ireo sokajy ireo isaky ny boriboritany. Haverina ihany koa ny sakafo any an-tsekoly, hoy ny kandida ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana. Tsy maintsy apetraka kosa anefa ny fitsipi-pifehezana ahafahana manatontosa ireo fanamby rehetra ireo, hoy ny tenany.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.