Eny amin’ny Magro Behoririka ny alakamisy 16 jolay ho avy izao amin’ny 7 ora maraina no hanombohan’ny kandidan’ny Tiako I Madagasikara eto Antananarivo renivohitra Rtoa Lalao Ravalomanana ny fampielezan-keviny.
Fanompoam-pivavahana no isantarana ny fotoana manaraka avy eo ny lahateny sy toromarika isan-karazany, ny tsara ho fantatra momba ny mety ho tohin’ny fampielezan-kevitra.Manan-tantara , manan-danja amin’ny tolona famerenana ny ara-dalàna sy ny fanoherana any tsy rariny , ny fikasana hambotry ity firenena ity ny kianjan’ny Finoana Magro Behoririka, teo ihany koa no nanamafisana isan’andro nandritra ny enin-taona ny fitakiana ny fodian’i Dada an-tanindrazana.Tanteraka izany ankehitriny saingy mbola tsy vita ny tolona ary maro ny adidy miandry, efa mpifaninana tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2013 saingy nikarohana ny fomba rehetra mba hanilihana azy i Neny Lalao Ravalomanana ; ankehitriny kandida ben’ny tanàna eto Iarivo izy ary vonona tanteraka hizara ny fahaizany sy ny fahalalany ary ny traikefany amin’ny fanasoavana ny renivohitr’i Madagasikara sy ny mponina ao aminy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.