Politique

Lalao Ravalomanana Ben’ny tanŕnan’Iarivo


  • Alakamisy 16 Jolay 2015

Sahy manao fanamby hanarina an’Antananarivo Rtoa Lalao Ravalomanana atolotry ny TIM ho baen’ny tanŕna ary laharana faha 6 ao amin’ny bileta tokana.

 

Tsy olom-baovao eto izy ary mahafantatra tsara ny zava-misy iainan’ny mponina isan’andro, ho an’ireo mpomba azy  eny ho an’ny rehetra izay miresaka politika sy fiainam-pirenena dia efa mazava ny resaka fa efa ben’ny tanànan’Iarivo i Neny fa fombafomba ihany sisa ny latsa-bato atao amin’ny 31 jolay.Fanamafisana orina ny fifandraisany amin’ny vahoaka no atao ato anatin’ny tapa-bolana, fa raha ny tena marina tsy dia mila propagandy intsony izy.


Miainga eo amin’ny Magro

Eny amin’ny kianjan’ny Finoana Magro Behoririka no hanombohan-dRamatoa Lalao Ravalomanana ny fampielezan-keviny amin’ity maraina ity, kianja mana-tantara loatra ary nanaporofoan’ny zanak’i Dada fa goavana ny finoan’izy ireo.Aorian’ny fanompoam-pivavahana fohy sy ny kabary isan-karazany dia hitety ireo boriborin-tany 6 eto an-drenivohitra ny kandida laharana faha-6 hihaona mivantana amin’ny mponin’Antananarivo renivohitra, hamelabelatra ny fandaharanasany ho amin’ny fanarenana ity renivohitr’i Madagasikara ity.Tahaka an-drangahy vadiny ihany dia tsy vitan’ny miresaka fotsiny ny an’i Lalao Ravalomanana fa tsy maintsy arahana asa ary efa vonona ny amin’izany izy, misy ny mpiara-miasa, miandry fotsiny ireo mpamatsy vola.Mahafantatra tsara izany ny vahoakan’Antananarivo, efa vavolombelon’ny fanovana goavana nentin’i Marc Ravalomanana teto nanomboka tamin’ny 1999 ary mino fa mbola hahavita bebe kokoa noho izany manomboka amin’ity 2015 ity Rtoa Lalao Ravalomanana.


 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT