Misaotra anareo nisafidy ny lisitra TIM notarihako, tsy hadinoko ireo nanao safidy hafa. Misaotra anareo tsy an-kanavaka aho”
“. Tahaka izay raha fintinina ny fisaoran-dRamatoa Lalao Ravalomanana ny mponin’Antananarivo taorian’ny nahavitan’ny fifidianana ka naha voafidy azy ho ben’ny tanàna araka ny vokatra vonjimaika. Azo antoka fa tsy hiova be manao ahoana ny vokatra fa dia efa nahazo ny 55,9% ny vato manan-kery avy amin’ireo birao fandatsaham-bato 610 eto Antananarivo renivohitra i Neny. Manodidina ny 29,1% ny salam-pahavitrihan’ny mpifidy ka vato 98 389 amin’ny 181 963 no azon’ny kandidan’ny Tiako I Madagasikara teto an-drenivohitra. Nifampizara ny ambim-bato 83 574 izany ireo kandida 8 hafa.
Hanampy ireo tena sahirana
Vonona aho hifarimbona amin’ny mahitsy fo rehetra hanatanteraka ny fanamby, hoy i Lalao Ravalomanana, fanamby izay tsy inona moa fa ny fanarenana an’Antananarivo renivohitra amin’ny lafiny rehetra. Naverin’i Neny indray fa olom-boafidy hiasa ho an’ny boriborintany 6 sy ny mponin’Antananarivo Renivohitra rehetra izy, ary atao ao anatin’ny fifampifehezana, fifanajana, fifampihainoana ary fifampitsimbinana ny asa. Na izany aza dia lojika raha hifantoka any amin’ny kartie sy faritra be mponina sahirana sy mahantra indrindra tahaka ny eny Andraisoro, Manjakaray, Morarano, Ambodirano, Imamba, Anosibe, Anosipatrana, Namontana … ny asa fanatsarana ny sosialy aty am-piandohana. Eo, ohatra, ny resaka fampidirana rano fisotro madio, ny fahasalamana ho an’ny daholobe, ny fametrahana jiro an-dalambe. Tsy maintsy amboarina ihany koa ny lalana eto an-drenivohitra izay efa tena mampiteny ny moana ny faharatsiany. Ben’ny tanàna hiasa ary hikaroka ny hevitra rehetra hampandrosoana haingana ny renivohitra i Lalao Ravalomanana raha araka ny filazany hatrizay. Misy ny mpamatsy vola efa vonona hiara-kiasa amintsika, hoy i Neny ary tsy maintsy mahay miara-miasa amin’ny fitondrana ihany koa ny ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra raha tiana ny hampandroso marina ny tanàna.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.