Politique

Lalao Ravalomanana Asa fa tsy kabary


  • Talata 28 Jolay 2015

Behoririka, Ankadifotsy,Ambodivona,Ankorondrano izany hoe ny teny amin’ny boriborintany faha-3 no notsidihan’ny kandida Lalao Ravalomanana indray omaly ; manome lanja manokana ny fijerena ny zava-misy marina sy ny fiainan’ny mponina eto Iarivo ny kandidan’ny TIM mba hahafahany mahita vahaolana mahomby.

 
Resabe mampihemotra

Renim-pianakaviana, olon’ny fahendrena sy ny filaminana i Lalao Ravalomanana ary mahafantatra tsara ny tantaram-pirenena.Tahaka ny Malagasy maro be dia nahatadidy tsara ny zava-nitranga tamin’ny 2009 namotehan’ny sasany ny teto Antananarivo renivohitra sy ny tany amin’ny faritra maro manerana ny nosy izy ;efa fantatra hoe iza ireo olona ireo ary fantatra tsara ihany koa fa tsy mbola niova izy ireo fa niavonavona tamin’ny fampihavanam-pirenena, manohy hatrany ny fanaratsian’olona sy ny fampianaran-dratsy ny olom-pirenena, manao ho fanampin-tsakafo isan’andro ny fihantsiana  sy fananganan’ady.Ampy izay ny resabe sy fampanantenana paokaty fa asa no tsy maintsy irosoana satria efa tena potika tanteraka ny renivohitr’i Madagasikara .Amin’ny maha ray aman-dreny hendry azy anefa dia efa namela ny helok’ireo nanao ratsy azy ,tahaka ny nataon’ny vadiny ihany koa Rtoa lalao Ravalomanana ary afaka miasa miaraka amin’ireo tena tia tanindrazana.

Asa fanarenana

Sahy ary mijoro hanarina an’Antananarivo miaraka amin’ireo rehetra vonona ho amin’izany i Lalao Ravalomanana, « asa fa tsy kabary » ny azy, efa vonona ny fandaharanasa sy ny famatsiam-bola fa ny fanamafisan’ny vahoaka amin’ny 31 jolay sisa andrasana.Sokajian’ireo rehetra mpandinika sy mpamakafaka politika eto an-toerana sy any ivelany fa kandida misongadina ary hibata ny fandresena eto Antananarivo renivohitra amin’io fifidianana ben’ny tanàna io i Neny Lalao Ravalomanana ; tahaka ny efa manamarina izany ny fietanam-pon’ireo olona maro be isan’andro mihaona mivantana aminy eny amin’ny fitetezana ny fokontany rehetra eto an-drenivohitra.Manantena fiovana ho amin’ny tsara sy mendrika kokoa ireny olona ireny, azo tanterahana tsara izany hoy i Neny ka fanombohana azy fifidianana ny laharana faha 6 ao amin’ny bileta tokana amin’ny zoma 31 jolay.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT