Nampanontany tena ny maro ny fahelan’ny fahavitan’ny ampahan-dalana namboarina mampitohy ny tanànan’Ambohitrarahaba amin’Antanandrano fandehanan’ny zotra 109. Raha ny marina dia nanaovan’ny kandidà ho ben’ny tanàna Hvm eny Ankadikely Ilafy, Ravelonanosy Andriantefy Bruno, angoantenda ny fanombohana an’io asa io Ka nisian’ilay takela nalaza hoe : “Miasa ho anao Ravelonanosy Bruno”.
Nisy anefa ny fotoana naharitraritra ihany tsy nikitihan’ny mpanamboatra nanankinana ny asa io ny fanatanterahana azy. Rehefa nifanena tamin’ity kandidà ity teny Antanandrano ny mpanao gazety ka nametra-panontaniana taminy ny nampitarazoka ny asa, dia valin-tenina mpanao politika somary misafelipeli-teny no azo tamin’ny filazany fa hoe “tsy maintsy vita ny anaran’io fanamboarana ampahan-dalana io. Efa ankatoky ny fampielezan-kevitra marina moa isika ka tsy maintsy mihetsiketsika daholo ireo kandidà amin’ny fandresen-dahatra ny vahoaka hifidy azy sitrany ahay hisy ny fitokanan-javatra ao anatin’izany fampielezan-kevitra izany. Fa ny mbola mampanontany tena ny maro koa ao anatin’izany rehetra izany dia ny fieritreretana hoe : nankaiza ny tena tompon’andraikitra mivantana amin’ny fanamboarana itony asam-bahoaka nandoavany hetra itony no olon-kafa no mirotsaka an-tsehatra manatanteraka tsy fidiny ny asa toy itony ?
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.