Politique

Lalàmpanorenana Malagasy Takon’ny fifanarahana politika hatrany


  • Talata 12 Jona 2018

Efa hatramin’ny taona 1991, taorian’ny raharaha 10 aogositra no nipoiran’ity resaka fifanarahana politika ity. Nantsoina hoe “convention du 31 octobre” moa izy tamin’izany ary nosoniavina tetsy amin’ny Panorama Andrainarivo.

Nanomboka teo dia toy ny lasa fahazaran-dratsin’ny mpanao politika Malagasy izany ary lasa fanararaotan’ireo fianakaviambe iraisampirenena koa. Mbola nisy fifanarahana ny taona 1998 saingy tsy dia nalaza. Tadidin’ny rehetra kosa ny Dakar I sy II tamin’ny taona 2002. Niitatra ka toy ny nanolo tamin’ny fomba ofisialy ny lalàmpanorenana mihitsy taty amin’ny taona 2009 ny sori-dalana na “feuille de route” izay teo ambany alok’ireo fianakaviambe iraisampirenena hatrany. Ny niafarany moa dia lasa tsy menatra intsony ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC nanolo ny didim-pitsarana tamin’ny dinan’andraikitra na “Pacte de responsabilite” tamin’ny alalan’ny fanapahana laharana 24-HCC/D3 ny 12 jona 2015. Fitakian’ireo depiote ny fialan’ny filoham-pirenena ihany koa no notakiana tamin’izay. 3 taona latsaka taty aoriana dia io fa hizingizinina ho ambonin’ny zava-drehetra koa ny andininy faha-14 amin’ilay fanapahan’ny HCC laharana 18-HCC/D3 ny 25 mey 2018 teo. Ao anatin’izany rehetra izany dia tsy ny lalàmpanorenana fotsiny no takona fa hatramin’ireo rafitra ihany koa. Izay mpitantana andrim-panjakana tsy nihenjana tato anatin’ity fitondrana ity indray no toa adala indrindra. Inona fotsiny izany no nataon’ireo mpikamban’ny CFM izay hoe nanao fihaonambe tao anatin’ny 3 andro nanomboka ny alatsinainy heriny teo raha toa ka ny alakamisy vao nilaza izy ireo fa hanomboka ny fivoriana amin’izay. Hampihavana sa handany volam-panjakana ? Manodidina ny 5 tapitrisa ariary isam-bolana anefa amin’io ny karama raisin’izy 44 mianadahy mpikambana isanisany.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT