Politique

Lalàm-pifidianana manjavozavo Hararaotin-dRajoelina hanaovana propagandy


  • Alarobia 04 Jolay 2018

Fihetsika atao mialoha ny fampielezan-kevitra ny atao hoe “pré campagne”, izany hoe fiomanana mialoha ny tena fampielezan-kevitra.

 
Tsy voaresaka ao anatin`ny didy aman-dalàna mifehy ny fifidianana io na dia efa nanao fanamarihana aza ny teo anivon`ny CENI mba tsy hampisy ny fisavoritahana ka aleo faritana ao anatin`ny didy aman-dalàna ny fihetsika mialoha ny fampielezan-kevitra. Misy kosa ny fenitra iraisam-pirenena manazava azy io, araka ny nambaran`ny teo anivon`ny CENI. Zavatra telo no azo hatao mandritra izany, dia ny filazana  ny fanambarana amin`ny vahoaka fa ho kandidà hilatsaka hofidiana afaka mitety faritra, manetsiketsika sy manangana ny antoko na fikambanana izay hanohanana sy hanampy amin`ny vanim-potoana tena hanaovana ny fampielezan-kevitra amin`ny fifidianana ary ny fitetezam-paritra hahafahana manazava ny vinam-piarahamonina hitondrana ny fampandrosoana na “Projet de société”. Tafiditra ao ny fanomanan`ny kandidà iray amin`ny fifidianana. Tsy mbola azon’ny kandidà iray atao kosa ny manentana ny olona hifidy azy na mitaona ny olona tsy hifidy. Fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana mantsy izany ka voarara. Raha dinihana sy jerena akaiky anefa ny fihetsika, ny fiteny, ny fanomezana toky fa hanao an’izatsy sy izaroa, ny fomba ataon`ny filohan`ny tetezamita teo aloha, Andry Rajoelina mandritra ny fitetezam-paritra ataony amin`ny fampahafantarana ny vinan`asa Initiative Emergence Madagascar (IEM) dia efa miendrika fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana ary nohararaotiny ny mampajavozavo ny lalàna misy eto Madagasikara momba ny fifidianana.

Legende:Andry Rajoelina nitsidika an’i Brickaville omaly   

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT