Politique

Kolonely Lylison Vonona hifampitady amin-dRajao


  • Sabotsy 09 Jona 2018

Niseho vahoaka voalohany ny kolonely sy lohona Lylison René de Rolland, taorian’ny didy fanafahan’ny fitsarana azy ny talata 5 jona lasa teo. Tsiahivina fa nenjehin’ny fitondrana HVM nanomboka ny 25 mey 2016 ny tenany noho ny fiantsoana tanàna maty teto Antananarivo, ary nisitraka nanomboka teo.

 Nohelohin’ny fitsarana higadra herintaona an-tranomaizina ny 14 febroary 2017, saingy izao nahazo fahafahana madiodio izao. Noraisina tamin’ny fomba makotrokotroka teny an-kianja. Nisaotra ny depiote 73 sy ny vahoaka Malagasy ny tenany satria raha tsy nisy azy ireo dia tsy toy izao ny zava-misy. Nambarany fa efa fahombiazana ny vokatra azo teny an-kianjan’ny 13 mey. Mankahery ny depiote, ary aza misy mihemotra satria ny fandresena tsy azo hatramin’ny farany, ny fandresena tsy dia natao ho an’ireo mpanam-bola akory, tsy natao ho an’ireo manana fitaovana, ary tsy natao ho an’ny manampahefana fa natao ho an’izay tsy mitsoaka ady hatramin’ny farany, hoy izy. Miangavy ny vahoaka sy maniry ho an’ireo depiote 73, ho an’ny mpisolovava Hanitra Razafimanantsoa sy Christine Razanamahasoa mba tokony hasiana velirano amin’ny vahoaka eto fa raha misy hala-bato sy fanodinkodinana izay safidim-bahoaka mitranga eo, dia eto an-kianja isika no hifamotoana, hoy izy. Nambaran’ity loholona ity ihany koa fa tsy mbola nisy fitondram-panjakana nampahory vahoaka nihoatra ny fitondrana Rajaonarimampianina. Nanangana fonenana tsy nataony fa ny trano izay naorin’ny vahoaka indray no narodany. Izay olona very tany rehetra nalaina tamin’ny tsy rariny sy an-keriny, dia iangaviako izay governemanta eo hamerina izany, hoy hatrany ity loholona ity. Nanitrikitrika izy fa tsindry ara-politika avy any amin’ny filoha no nanagadrana natao tamin’ny mpitsara no nanagadrana azy, fa nadio ny dosieny. Rehefa nahatsapa izany ny mpitsara dia tsy nanaiky tsindry, ka nanafaka azy. Nambarany, fa mbola misy ny antsojay atao aminy, na efa nafahafana aza izy. Naheno aho fa nanome baiko indray ny minisitry ny fitsarana amin’ny hampiakarana ny raharaha momba azy, raha ny kabariny. Mihevitra ve io ianao fa hitondra fitoniana ny fampiakarana nataonao, hoy izy mantsy an-dRajaonarimampianina. Izaho dia mahatoky fa hatrehiko izay hataonao, ary ho avy aho sy vonona aho amin’izay rehetra miseho, hoy ny fanambarana hentitra. Ny depiote Rodin Rakotomanjato avy amin’ny TIM sy ny depiote Rossy no nametraka ny samboady maha loholona azy ary nanoroka azy teo imason’ny vahoaka maro be.


Miandry ny fampahafantarana avy any amin’ny fitsarana ny antenimierandoholona mialoha ny handraisan’ity loholona ity ny asany, ary milaza ho tsy mametraka olana amin’izany izy ireo, hoy ny fanambaran’ i Rivo Rakotovao.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT