Politique

Kolikoly sy afera maloto Ho afa-maina tsimoramora ve ireo mpitondra HVM ?


  • Sabotsy 09 Jona 2018

Mbola maro ireo raharaha mamatotra ny mpitondra HVM noho ny afera maloto sy ny kolikoly tsy tambo isaina. Mandeha ny fifanarahana politika sy ny fananganana governemantan’ny marimaritra iraisana. Hiara-devona amin’izany ve ny fanenjehana rehetra ka ho vitavita ho azy avokoa ny raharaha maloton’ny mpitondra ?

 

Ho an’ny ankolafin’ny mpanohitra amin’izao fotoana izao mantsy, dia efa nisy ny fanafahana ny olona anisan’ny nohenjehin’ny fitondrana, toa an’ny Kolonely Lylison, ohatra, izay afa-bela ankehitriny. Hitsahatra sy tapitra hatreo ihany koa ve izany ny vesatra ho an’ireo olon’ny fitondrana Rajaonarimampianina ho setrin’ny fananganana governemantan’ny marimaritra iraisana ? Tsiahivina fa manana dosie maloto ny praiminisitra teo aloha Mahafaly Solonandrasana Olivier, izay notorian’ny depioten’ny fanovana noho ny kolikoly avo lenta ambara fa niraisany tamin’i Claudine Razaimamonjy. Mbola dosie hafa ny raharaha kolikoly tamin’ny fampandaniana ny lalàm-pifidianana, ka nitoriana ireo depioten’ny HVM voalaza fa nanao izany. Nisy ihany koa ny fitoriana natao mitaky ny hanonganan’ny HCC azy noho ny famadihana ny antoko nahalany azy, izay voarara araka ny andininy faha-72 ao anatin’ny lalàmpanorenana. Mbola handeha ve ny fitsarana ireny raharaha maloto sy kolikoly isan-karazany ireny sa ny valim-pitsarana no hamboarina, toy iny valin’ny fangatahana ny fanesorana ny filoha iny ?  Andrasana na mba hijinja ny nafafiny amin’izay ny mpitondra mpanao kolikoly sy tompondakan’ny afera maloto na vitavita ho azy hatrany. Anisan’ny handrefesana ny fanovana notakiana izany.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT