Namoaka ny vokatra amin’ny ampahany ny fanaraha-maso nataon’izy ireo tamin’ny fifidianana kaominaly 2015 teo ny fiarahamonim-pirenena KMF/CNOE omaly,
ka nilazan’izy ireo mazava fa maromaro toy ny mahazatra ny lesoka nitranga nandritra izany fanatanterahana ny latsa-bato izany. Tao ohatra ny fisian’ny Birao fandatsaham-bato notafihan’ny dahalo, ny asa ratsy betsaka niseho tany ambanivohitra rehetra tany, ny lisi-pifidianana tsy voafarana ara-dalàna, ny fisian’ny mpifidy tsy voasoratra tao anaty lisi-pifidianana intsony na dia anisan’ireo nifidy izao aza tamin’ny 2013, ny ranomainy « indélébile » mora novonoina, ny « badge » tsy nisy nomerao sy nifangaro loko tsy hay nanavahana ny andraikitry ny tsirairay na delegem-pifidianana izy na mpanara-maso fotsiny izao, ny fisian’ny biletà tokana tsy nisy « numéro de série », ny tsy fanavahana mazava ny « pré-campagne » sy ny tena « campagne », ny mbola nanao tee-shirt propangady tamin’ny androm-pifidianana, ny mbola fisian’ny fampiasana ny fitaovam-panjakana tamin’ny fampielezan-kevitra, ny fisian’ny fiarahamonim-pirenena nanao « chasse aux trésors » … Hatramin’izay 26 nisiany izay dia tsy nitsahatra nitaky ny hanajanonana izany fampiasana ny fitaovam-panjakana izany ny KMF/CNOE, mbola nitaky hatrany koa ny fanajana ara-bakiteny ny lalàm-pifidianana, ny fampahafantarana mazava ny fampiasam-bola nataon’ireo kandidà nandritra ny fifidianana. Toa nanambara mazava izany fa mbola tsy voafehintsika hatramin’izao ity resa-pifidianana ity ka manainga ny rehetra ny KMF/CNOE mba hiandry ampahatoniana ny voka-pifidianana izay havoakan’ny fitsarana mahefa.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.