Tsy hotontosaina intsony ny andro fah-3 amin’ny “Poule des As”, ilay dingana faran’ny fiadiana ny tompon-dakan’Analamanga.
Izay no fanapahan-kevitry ny ligin’Analamanga taorian’ny nampivoitra ny Tana FC no lah-1 malalaka taorian’ny andro fah-2 ka nahazoany fandresena fanindroany ary nahazoany isa 6. Tsiahivina fa nifandimby nalavon’ity ekipan-dRaniry mpanazatra ity ny Elgeco Plus sy ny Cosfa. Marihina fa niadiana ny tapakila fah-2 ho an’ny ekipa fah-2 hisolotena an’Analamanga amin’ny fiadiana ny tompon-dakan’i Madagasikara io “Poule des As” io. Norombahan’ny Tana FC izany io tapakila faharoa io raha toa ka efa lasan’ny Iarivo FC izay nisalotra ny anaramboninahitry ny Ligy-1 taorian’ireo lalao mandroso sy miverina nandritra ny taompilalaovana ny tapakila voalohany. Maty masony kosa ary tsy afaka hiatrika an’io fifaninanana nasionaly io ny AS Adema izay lah-3 tamin’ny “Poule des As” ary lah-4 ankapobeny. Ny fifaninanana hamoahana ireo ekipa efatra hivarina ho any amin’ny D2 sisa no mbola hotanterahina ho an’ireo tarika lah-6 noho midina.
Rasanda Serge
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.