Tonga maro ny vahoaka teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey omaly, na nisy aza ny fisintahana tsy an-kiera nataon’ny MAPAR.
Nambaran’ny solombavambahoaka voafidy tany Arivonimamo Rakotomanjato Rodin, fa tsy tokony hasiana fitiavan-tena ny tolom-bahoaka satria fifanekena masina mantsy, hoy izy, ny teny natao tamin’ny vahoaka ka tsy tokony hatao toy ny tsy misy dikany. Io seza io no mahafatifaty,… ka tsy hiady amin’izany izahay fa ny anay dia hoe ahoana no hisitrahan’ireto vahoaka Malagasy ireto, hoy ny eny an-kianja. Nambaran’io depiote io, fa efa mandeha avokoa ny tetika rehetra hataon’ny mpanohitra ny hetsika amin’ny handravana izany. Fantatra mantsy fa nisy ny fiantsoana nataon’ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina ny sendika izay mitolona etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey, raha ny fanazavana. Hotambazana ve ireo mpitarika sendika sasany hiala eny an-kianja ? Tsy nihambahamba ihany koa ny depiote Hanitra Razafimanantsoa nilaza, fa mpamadika ny sasany amin’ireo depiote sasany tsy hita intsony eny an-kianja. Nohamafisiny ny tsy fisian’ny fifanarahana politika nosoniavin-dRavalomanana, ary raha misy izany dia sandoka. Gaga izahay fa mandainga ianao, izay filohan’antoko, hoy kosa Rakotomalala Henri na Riribe mantsy an-dRivo Rakotovao. Avoahy raha lehilahy ianareo amin’ny filazana ny fisian’izany, hoy izy. Miparitaka any amin’ny tambajotran-tserasera kosa ny fifanarahana namboamboarina. Ampahany hita ao anatin’izany izay hita ao amin’ilay ambara fa eo ambany fitarihan’ny “Organisation de l’Unité Africaine” izay niantsoana ny Vondrona Afrikanina teo aloha, saingy efa tamin’ny 9 jolay 2002 no foana io, ary lasa “Union Africaine” avy eo, saingy mbola hita ao io soratra voalohany io. Hita ao anatin’io taratasy sokajiana ho sandoka io ihany koa hoe “Mouvance”, izay efa tany amin’ny 2010 no nisiany. Ity ve izany ilay ambaran-dRivo Rakotovao fa fifanarahana vita ? Na eo aza izany rehetra izany dia hihamafy hatrany ny tolona, ary andrasana ilay vaovao be efa nambara fa hiseho, saingy mbola mipetraka ho “surprise” aloha, raha ny toromariky ny eny an-kianja.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.