Politique

Kianjan’ny 13 mey Ho raikitra indray ny tolona


  • Alakamisy 12 Jolay 2018

Nanao fanambarana tetsy amin’ny Telozoro Andrefanambohijanahary omaly ry zareo avy eo anivon’ny GRAC na ny « Grand rassemblement des associations pour le changement » izay ivondronan’ireo fikambanana isan-karazany miaiky fa mila tohizana ny fitakiana fanovana eto amin’ny firenena.

Nisy ny  ra latsaka ny 21 aprily teo ary mbola betsaka ny vokatra tsy azo, hoy izy ireo. Mbola tsy mandry fahalemana ny any ambanivohitra, tsy voavaly ireo fitakiana sendikaly, tsy niala amin’ny toerany ny filoham-pirenena sy ny fitondrany. Ao anaty fotoam-pahavaratra ihany koa no ikasana hanatontosana ny fifidianana. Mbola mila fiovana izany, hoy hatrany izy ireo ka manao antso avo amin’ny rehetra mbola hanohy ny tolona. Tolona am-pilaminana no hatao, raha ny fanamarihana, ary holazaina amin’ny fotoana mahamety azy ny toerana hanaovana azy.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT