Nahazo toerana Ben’ny tanŕna miisa 5 ny antoko Tiako I Madagasikara ao anatin’ ny Distrika Miandrivazo tamin’ny fifidianana kaominaly natao ny 31 aogositra farany teo, dia ny tao Ankondromena (Atoa Evariste),
tao Ankotrofotsy (Atoa Bertos), Manandaza (Atoa Tahiry Edmond) ary tao Bemahatazana (Atoa Raymond François). Fa ny misongadina dia ny tao amin’ny Kaominina ambonivohitra Miandrivazo izay nandrombahan’ny kandida dokotera Raymond ny toeran’ny Ben’ny tanàna. Na dia teo aza mantsy ny fikafika sy tsindry maro nataon’ireo mpiasam-panjakana sasany dia tsy nahasakana ny vahoakan’i Miandrivazo hisafidy ny lisitra TIM izany. Maro ihany koa ireo olona fantatra fa TIM mafana fo nifidy tamin’ny fifidianana solombavambahoaka nefa nanjavona tao anaty lisi-pifidianana ny anaran’izy ireo tamin’iny fifidianana kaominaly iny. Ny nahagaga sy nahatalanjona aza dia ny tsy namelana ny vahoaka nanamarina mialoha ny anarany tao anaty lisitra satria ny andron’ ny fifidianana vao nipoitra izany lisitra izany. Na betsaka aza ny elanelam-bato nisy teo amin’ny kandidan’ny TIM sy HVM tao Miandrivazo, dia mandeha ny resaka fa tsy maintsy HVM no ho lany eo. Tony anefa ny vahoaka eo ampiandrasana ny valiny ofisialy saingy vonona hiaro ny safidiny ny vahoaka raha misy ny fanodinkodinana ny safidiny.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.