Mazava ny fandresen’ny Tiako I Madagasikara tamin’ny fifidianana Ben’ny tanŕna tao amin’ny Kaominina ambonivohitra Marovoay, ny harivan’ny 31 jolay 2015.
Telo ny lisitra nifaninana tao, 1 597 ny vato azon’ny TIM, 1 158 ny an’ny HVM laharana faharoa vonjimaika ary an’ny tsy miankina ny ambiny. 439 ny isam-bato manelanelana ny TIM sy ny HVM. Hatairana ny an’ny mponina any Marovoay omaly mandre amina radio fa ny HVM indray no mandresy. Miakatra ny feo any an-toerana fa tsy hanaiky velively ny tetika hampitsimbadihana io voka-pifidianana io ka hanodinkodinana ny tena safidim-bahoaka.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.