Henjana ny fifaninanana ao amin’ny Kaominina Ivato – Distrikan’Ambohidratrimo. Ivato sy rahateo no kaominina betsaka kandida Ben’ny tanàna indrindra manerana ny Nosy, 13 izy ireo
. Kely manaraka izay ny heriziky hahatongavana ao amin’ny kaominina, indrindra fa tsy mandala vola amin-karena ny kandidam-panjakana isan’ny mpifaninana. Izay ve no antony tsy ahitana na mampitsoaka an-daharana ny mpifaninana sasany. Eny Ivato mantsy dia re izao fa 4 amin’ireo kandida 13 mifaninana no nitsoaka an-daharana ka efa tsy manohy ny fampielezan-keviny intsony. Misy ny hanohana kandida hafa na tsy mbola nanao fanambarana ofisialy izany aza. Raha ny lalàna rahateo dia izay voasoratra dia voasoratra. Efa ao anaty bileta tokana ny sary famantaran’ilay kandida sy ny laharany tamin’ny antsapaka ka tsy mihemotra raha tsy hoe angaha misy fandikan-dalana ataony mandritra ny fampielezan-kevitra ka mety hanilihana an-daharana azy tsy hifaninana, fa tsy izay sitrapony.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.