Mazava ny fandresen’ny antoko RDS (Roso ho amin'ny Demokrasia Sosialy) tarihin’i Fetison Rakoto Andrianiriana tao amin’ny Kaomininia Anakao, Distrika Toliara II tamin’ny fifidianana kaominaly notanterahina ny 31 jolay 2015
. Nananika ny 58,01% ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy tao an-toerana. Mitarika ny Antoko RDS, araka izao tarehimarika izao : 1.908 ireo mpifidy voasoratra anarana. Tonga nifidy ny 1.107, 90 ny vato maty sy fotsy ary 1.017 ny vato manankery. Nahazo isam-bato 171 (16,8%) ny HVM ary mahazo mpanolotsaina 1, ny lisitra Vahoaka no Hery indray manana 93 (9,1 %), tsy nahazo na mpanolotsaina iray aza. Ny FIZAMA manana vato 126 (12,4%) ary mahazo mpanolotsaina 1. Ny RDS manana vato 351 (34,5 %) ary mahazo mpanolotsaina 2 ary ny lisitra Anakao Mandroso manana 276 (27,1%) mahazo mpanolotsaina 1. Misy anefa ny tsy mahatanty resy sy tsy mazaka ny vokatry ny safidim-bahoaka ka dia manely resaka fa hanao izay fomba rehetra hampitsimbadihana ny vokatra, mba hampandresena ny HVM, hono. Saropiaro amin’ny safidiny anefa ny vahoaka any an-toerana ka tsy hanaiky velively ny fikasan-dratsin’ny sasany izany.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.