Politique

Kaominina Ampitatafika Mpandrovitra afisy saika niharan'ny fitsaram-bahoaka


  • Alarobia 29 Jolay 2015

Nitrangana toe-javatra mampalahelo teny amin'ny kaominina Ampitatafika, distrikan'Antananarivo Atsimondrano. Nisy andian'olona nandrovitra mantsy ny afisin'ny kandida natolotry ny antoko Tiako I Madagasikara Ramparaoelina Rado mitondra ny laharana fahatelo.

 


 Maromaro izy ireo raha araka ny fanazavan'ity kandida Ben'ny tanana ity niaraka tamina fiara 4x4 miloko mainty. Tokony ho tamin'ny 11 ora atoandro no nanatanterahan'ireo andian'olona ireo izany ka nahatezitra mafy ireo vahoaka nahita izany tao amin'ny Fokontany Malaza. Vokany, saika nitroatra ireo vahoaka ireo saingy noho ny fananany fandeferana dia ninia nangina ihany ary namela ireo mpandrovitra afisy nandeha. Ankoatra izay dia fantatra ihany koa fa misedra olana hafa ity kandida iray an'ny Tiako I Madagasikara eny Atsimondrano ity. Raha fampielezan-kevitra mantsy no tokony hataon'ny kandida mpifaninana rehetra hoy izy araka ny baikon'ny CENIT dia mbola misy ihany ireo minia manaratsy azy toy ny fametrahana soratra manakaiky ny quartier general-ny...Na izany aza anefa tsy kivy Ramparaoelina Rado fa vonona ny hibata ny fandresena .

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT