Mafana ny fampielezan-kevitra ao Ambanja tampon-tanŕna. Misy 6 ny kandidŕ mpifaninana. Manana tombony i Jaovanona Fety noho izy Ben’ny tanŕna teo amperin’asa
. Misongadina tamin’ny zava-bita sy ireo asa sosialy maro be vitany ity kandidà ity. Tohanan’ny antoko TIM rahateo izy sady antoko izay efa nirotsahany teo aloha. Olona manana ny maha izy azy, tsy mivadibadika, mitàna ny teny nomena, tsy mba manao kabary politika ka mampanantena zavatra tsy ho vitany. Nazava ny tanàna feno jiro, azo hivezivezena amin’ny alina. Nomena canalsat ny Fokontany 4, tsy mbola nisy tamin’ny tantaran’Ambanja ny fisiany “pompier” raha tsy tamin’i Jaovanona Ben’ny tanàna ary mbola vonona izy hanantateraka ny fanamby ho fampandrosoana. Tsy misangy amin’ny fampandrosoana ny tanànan’Ambanja i Jaovanona. Izany ny antony nahatonga ny vahoakan’Ambanja tsy mahafoy azy. Misy 14 000 eo ny mpifidy ao Ambanja tampon-tanàna izay mitsinjara ao amina Fokontany 15.
Nangonini Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.