Manomboka fantatra tsikelikely ny voka-pifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina vonjy maika manodidina ny renivohitra. Trangan-javatra iombonan’ity fifidianana kaominaly ity ny zoma 31 jolay 2015 teo ny taham-pahavitrihan’ireo mpifidy izay tena ambany dia ambany
. Manodidina ny 30% eo amin’ny ankapobeny izany, araka ny tarehi-marika vonjy maika. Manan-kery foana anefa izay vokatra mivoaka eo na vitsy aza no tonga nandatsa-bato. Ho an’ny kaominina ambanivohitra Ambohidrapeto, ohatra, dia olom-pirenena 3.054 no naneho hevitra tamin’ireo mpifidy voasoratra anarana 12.500 na 24,43%. Antoko sy fikambanana miisa 6 no nifaninana tao amin’ity kaominina iray eny Atsimondrano ity. Mitana ny laharana voalohany vonjy maika eny an-toerana ny antoko Tiako I Madagasikara tarihan’ny dokotera Ratsimanosika Jean René izay nahazo vato 1.054 na 35% tamin’ireo mpifidy tonga nandatsa-bato. Faharoa kosa ny Voromaherin’Ambohidrapeto amin’ny vato 695 na 22,75% ary any amin’ny laharana fahatelo kosa ny antokon’ny mpitondra HVM miaraka amin’ny vato 453 na 14,83%.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.