Politique

Kaominina Alasora Kandidŕ roa niara-nametraka fitoriana


  • Zoma 07 Aogositra 2015

Noho ny ambaran’izy ireo fa fisian’ny fitanilana be dia be hita taratra nandritra ny fifidianana kaominaly farany teo dia niara-nametraka fitoriana eny amin’ny “Chambre administrative” i Neny Julia (fikambanana Mahasoa) sy Thierry Rabary (Mapar),

 

 samy kandida roa ho Ben’ny tanàna teny amin’ny Kaominina Alasora Antananarivo Avaradrano. Raha tsy lany tamin’ny fahamarinana izahay, hoy izy ireo dia nanaiky izay vokatra hivoaka eo saingy noho ny fisian’ireo fitanilana be loatra dia nanapa-kevitra ny hitory izahay. Ny vahoaka rahateo tsy maintsy arovana ny zony sy ny safidiny ka tsy hijoro hiady amin’ny tsy rariny mianjady amin’izy ireo izahay. Eo ny faneriterena an-kolafa nataon-dramatoa Fatma Samoura tamin’ny andron’ny fifidianana hifidy ny kandidàm-panjakana. Teo koa ny tsy famelana ny mpifidy maro handatsa-bato fa nolazaina mialoha fa tsy ao anaty lisi-pifidianana rehefa fantatra fa tsy hifidy HVM. Nanaovana paika ratsy koa ny amin’ireo delegem-pifidianana tamin’ny tsy namelana azy ireo hifidy na dia nanana taratasy fahazoan-dalana ara-dalàna tamin’ny CENI-T aza. Nisy koa biletà maromaro nifampiraikitra nefa tsirairay no nandatsahana azy tao anaty vata mangarahara, izay midika fisiana biletà “pré-coché” raha ny filazan’izy ireo.

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT