Politique

Kaominin’Ankadikely Mamovokovoka ny kandidan’ny HVM


  • Alatsinainy 20 Jolay 2015

Nangotraka ny fampielezan-kevitra teny amin’ny faritra Avaradrano, kaominin’Ankadikely ny faran’ny herinandro teo. Ho an’i Ravelonanosy Andriantefy Bruno na i Bati dia fiodidinana ny tanŕna sy fangadiana ny fototry ny biraon’ny fokontany tao Antanetibe Ilafy no nanamarika ny asabotsy teo.

 


 

Fotoana ihany koa nanentanany ny olona ny hamita ny adidiny dia ny handatsa-bato izany ary hieritreritra tsara hijery izay olona tena manana fahavononana hitondra fitantanana madio sy tena fampandrosoana ny kaominin’Ankadikely vaomandrotsa-bato. Ny kandidan’ny Hvm Ankadikely ilay efa nanavao ireo sekoly ambaratonga fototra18 ao anatin’ny kaominina sy nanamboatra ny lalàna mampitohyan’Ambohitrarahaba sy Antanandrano ihany koa.Fanamby apetrak’ity kandida ity ny ady amin’ny fahantrana sy ny fandraisan’andraikitra.Omaly alahady kosa indray  dia nifamotoana tamin’ny tanora mpanao fanatanjahan-tena eo anivon’ny kaominina ny kandida Ravelonanosy Bruno, niatrika ireo lalao famaranana marobe tamin’ireo lalao ara-panatanjahan-tena nokarakarainy.Eo amin’ny fandaharan’asany dia nambarany  fa hanao izay tratry ny heriny rehetra izy amin’ny hahazahoan’ny kaominina Ankadikely ny anjara masoandrony amin’ny resaka fampandrosoana.

AndryRatovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT