Politique

Kaominaly 2015 Tena tandrametraka sy kitotoa tokoa


  • Sabotsy 01 Aogositra 2015

Tena tsy mamely, araka ny fomba fiteny tokoa ny fifidianana kaominaly notanterahana omaly zoma 31 jolay 2015 teto Madagasikara

 

. Samy nahita tsininy avokoa mantsy na ireo kandida mpandray anjara, na ny mpanara-maso na koa ny solontenan’ny firenena na fikambanana vahiny miasa sy monina eto amintsika. Azo ambara fa tara loatra ihany anefa ny tsikera sy fanehoan-kevitra niloha ny vavan’ireo sokajin’olona isan-karazany ireo. Nasehon’ny olom-pirenena mpifidy rahateo ny maha-tandrametraka sy kitotoa iny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina iny. Asa, efa fantany mialoha angaha fa tsy misy antenaina ny zavatra hivoaka eo ka naleony niala sasatra na koa nanohy ny asany andavanandro, ary dia ambany ny sala-pahavitrian’ny mpifidy omaly. Ny gazety Tia Tanindrazana rahateo efa nilaza ireo antony maro tsy mahalavorary ny fanomanana miaraka amin’ireo fingampingana politika avy amin’ny manam-pahefana sy ny tsy fahamatoran’ny rafitra mpikarakara ny fifidianana tamin’ny alarobia 22 jolay 2015 teo. Dia izany tokoa ilay hoe tena tandrametraka sy kitotoa tanteraka.

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT