Politique

Kaominaly 2015 8.484.000 ny mpifidy manerana ny nosy


  • Alakamisy 16 Jolay 2015

Voatana ihany ny datin’ny 31 jolay 2015 hanatontosana ny fifidianana kaominaly eto Madagasikara. Misokatra androany alakamisy 16 jolay amin’ny 6 ora maraina ny fampielezan-kevitra ary hifarana ny alakamisy 30 jolay amin’ny 6 ora maraina ihany koa

 


. Manana 15 andro katroka ireo antoko sy fikambanana mpifaninana ho ben’ny tanàna sy mpanolotsaina mpiray lisitra handresy lahatra ireo mpifidy. Tsy fiasana nefa handraisan-karama io andro io, araka ny voalazan’ny andininy faha-75 ao amin’ny didim-panjakana laharana faha-2015-617 tamin’ny voalohan’ny volana aprily 2015. Voararan’andininy faha-74 ihany koa ny fivarotana zava-pisotro misy alikaola andro iray mialoha sy mandritra ny fandatsaham-bato.

Ireo tsara ho fantatra

Nitombo ho 1.693 ny kaominina manerana ny nosy ankehitriny ka tanàna vaovao ny 149 amin’ireo. Manodidina 8.484.000 ny isan’ireo mpifidy rehetra tokony handatsa-bato amin’ny faran’ny volana jolay. Nitombo 300.000 ireo olom-pirenena feno 18 taona hatramin’ny taon-dasa 2014. Miisa 20.001 ireo birao fandatsaham-bato miparitaka manerana an’i Madagasikara. Mahatratra 7.321 ireo kandida ben’ny tanàna hifaninana ka vehivavy ny 443 amin’izy ireo. Miavaka kosa ny fifidianana eto Antananarivo renivohitra satria andriambavilanitra 5 no hifaninana amin’ny lehilahy 4. Fepetra iray notakiana tamin’ireo kandida hirotsaka ho mpanolotsainan’ny tanàna ny fandoavana antoka : 300.000 ariary ho an’ireo kaominina ahitana mpanolotsaina tsy latsaky ny 5, 350.000 ariary hoan’ireo mpanolotsaina miisa 5 hatramin’ny 7, 400.000 hatramin’ny 1 tapitrisa ariary ho an’ny kaominina mitaky mpanolotsaina 9 hatramin’ny 19. 3 tapitrisa ariary kosa no antoka takiana amin’ireo mpanolotsaina miisa 55 mpifaninana ao anatin’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Mitentina 9,2 tapitrisa euros na 29,4 miliara ariary ny tetibola fiatrehana ity fifidianana kaominaly 2015 ity. 1,25 tapitrisa euros kosa ny fanampiana avy amin’ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana misahana ny fampandrosoana tamin’ny fanontàna ireo biletà tokana miisa hatrany amin’ny 9 tapitrisa miaraka amin’ireo taratasy fitananana an-tsoratra.


Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT