Politique

Kandida Ravalomanana Tsy ho ela ny fandrotsahana dosie…


  • Sabotsy 28 Jolay 2018

Anisan’ireo kandida fantatra fa mikarakara dosie i Marc Ravalomanana ary andrasana ny fanambarana ofisialy fanamafisany ny maha kandida filoha azy amin’ny tapatapaky ny volana aogositra.

Andrasan’ny maro izay fotoan-dehibe izay, ka na tsy miteny aza izy dia efa maro ny liana sy te hitondra ny hetahetany amin’ity filoha teo aloha ity, raha dinihina amin’ny zava-nisy tao Moramanga ny alakamisy teo. Hihazo an’Ambatondrazaka hiatrika ny foara rejionaly “Tangorona II”, izay nanomboka ny 25 jolay teo ary hifarana rahampitso alahady no anton-diany, saingy raha vao naheno ny vahoaka fa handalo ny tenany, dia tsy nanaiky fa nirohotra nanatona azy. Tsy fampiomanana na fampiasana mpanakanto malaza na fizarana vola toy ny ataon’ny sasany, fa dia vory hatrany ny vahoaka Tsikitsiky sy haravoana hatrany no nasetrin’ireo azy teny an-dalana na tamin’iny lalam-pirenena faha-44 toa an’Ambodirano, Amboasary,  Andaingo... omaly. Nony tonga tany Ambatondrazaka kosa dia nifandrombahan’ny rehetra ny nanontany azy, ka nohamafisany fa vonona izy ny hirotsaka fa aleo aloha ho tafarotsaka ofisialy ilay izy; izany hoe tafapetraka ny dosie na antontan-taratasy filatsahan-kofidiana. Rehefa misy zavatra ataon’ny Malagasy toy izao, dia mahafaly ahy foana satria ny tranohevan’ny Eoropeanina, Amerkianina, Japonais,… aza jerena mainka fa ny an’ny Malagasy, hoy hatrany i Marc Ravalomanana. Anisan’ny mandray anjara amin’ny Tangorona II moa ny Tiko, saingy nilaza ho tsy ao anatin’ny Tiko intsony ny tenany, fa nolazaina hoe tongava aty fa misy vokatra vaovao maromaro, toy ny ranom-boankazo classiko, yaourt,… ka dia tonga i Marc Ravalomanana.


Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT