Mety hisy ihany ny kandida filoha maromaro hifanahantsahana ara-bola amin’ny kandidam-panjakana, fa tsy ny an’ny HVM ihany no hisongadina eto.
Tena toran-kovitra ny HVM ary tsy mahita horaisina satria antomotra ny fotoana. Manao kapa vavaranjo, ary toa mitady hirika hanemorana ny fifidianana. Tratran’ny antsojay, ohatra, i Pasitera Mailhol tany Mahajanga ny herinandro teo satria nisy tamin’ny famoriam-bahoaka no norarana. Raha ny loharanom-baovao iray avy any an-toerana anefa, dia re fa hatrany amin’ny 66 800 000 Ar ny tetibola ho an’ny seraserany fotsiny tany Mahajanga, ary amin’izao fotoana izao, dia efa tsy “Pasitera Mailhol” intsony no anarana hoentiny, fa “Prezida Mailhol”, ary sokajiana tsy ho resin’ny HVM izy. Manomboka mampidera ny volany sy harenany ny kandida hafa, ary i Andry Rajoelina izay tombanana ho isany izao, dia tsiahivina fa nanome omby 7 sy vary 10 gony koa tany Toamasina nandritra ny fety nandraisana ny Kardinaly vaovao ny 14 jolay teo, ary volabe no lany atosaka amin’ireny famoriam-bahoaka ireny. Tsy nihambahamba nanolotra 2 tapitrisa ariary ho an’ny fiangonana FLM tany Toliara i Jean Ravelonarivo nandritra ny lanonana fanokanana mpiandry ny 18 jolay teo, ary savaranonando ihany iny fa mbola hampiany io, raha ny nambarany. Mbola ho avy ihany koa ny mpanefoefo hafa toy ilay mpiasan’ny tahirimbolam-pirenena teo aloha, raha ny feo mandeha. Manomboka ny fifanindriana amin’ny hoe “ny vola samy manana” e !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.