Arlette Ramaroson, Eliana Bezaza, Saraha Rabearisoa, Patrick Raharimanana, Jean Ravelonarivo, pasitera Mailhol, Cohen Rivolala, Jean Jacques Ratsietison, Jean Nirina Rafanomezantsoa, José Vianey, Alain Andriamiseza, Jules Etienne.
Ampahany amin’ireo anarana efa re sy hita nanao fanambarana mikasika ny filatsahany ho kandida ho filoham-pirenena amin’ity ireo fa raha ny tombana hatreto dia azo antoka 90% fa tsy ho latsaky ny 30 isa indray ireo hisoratra anarana amin’ny fifaninanana ahazoana ny lapan’Iavoloha. Anisan’ny mbola andrasana anio, ohatra, ny fanambaran’ny ben’ny tanànan’Alasora etsy amin’ny By pass etsy. Andrasana ihany koa ilay ho kandidan’ny vondrona politika Armada. Hilatsaka tampoka ihany ve ireo mpifanandrina politika malaza, Ravalomanana sy Rajoelina ary Rajaonarimampianina ? Ny minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha, Paul Rabary, koa toa maneho sary misarisarika vahoaka izany any anaty tambajotra sosialy any. Azo antoka fa misy dikany avokoa ireny. Toy izany koa ny minisitra teo aloha an’ny indostria, Nourdine Chabani. Fa iza amin’ireo rehetra ireo kosa indray ary anefa no ho mersenera hanimba ny vaton’ny hafa raha toa ka hisy ny fihodinana faharoa ? Tsy vaovao fa fahita matetika aty afrika rahateo ny fanalefahana kandida heverina ho matanjaka iray amin’ny alalan’ny fanaparitahana ny vaton’izy ireny.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.