Tahaka izao manaraka izao ireo antontan-taratasy tsy maintsy omanin’izay kandida ho filoha :
Taratasy manambara ny filatsahan-kofidiana, kopia nahaterahana (lava) na dika mitovy amin’ny kara-panondrom-pirenena, taratasy manambara fa mizaka ny zom-pirenena Malagasy, ny Bulletin N 3 izay manamarina fa tsy mbola nisazy; dika mitovy amin’ny kara-pifidianana na taratasy manamarina fa ao anatin’ny lisitry ny mpifidy, fanamarinana momba ny fandoavan-ketra avy any amin’ny sampandraharahan’ny hetra, taratasy fanambarana avy amin’ny kandida fa nahaloa ara-dalàna ny hetra sy ny haba rehetra izy tao anatin’ny 3 taona, fanambarana momba ny fananana trano sy ny loharanom-bola, taratasy fanamarinam-ponenana manaporofo fa nonina teto Madagasikara tao anatin’ny enim-bolana mialoha ny daty farany handraisana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana, taratasy fanendrena ny kandida avy amin’ny antoko politika mijoro ara-dalàna araka ny lisitra eny amin’ny minisiteran’ny atitany, fanambarana manaiky fa hanaja ny fepetra rehetra voalazan’ny lalàmpanorenana, taratasy fanamarinana fa efa nandrotsaka ilay fandraisan’anjara 50 tapitrisa ariary, ny endriky ny bileta tokana sy ny mombamomba ny kandida, fanambaram-pananana ho an’ireo voatondron’ny lalàna fa tsy maintsy manao izany, ary farany dia fanambarana fa manaiky ny fepetra momba ny famatsiam-bola amin’ny fifidianana, ny mangarahara momba izany ary ny ady amin’ny famotsiam-bola.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.