Raha variana amin’ny fizarana seza sy fifamindram-pahefana etsy sy eroa ireo heverina ho antoko lehibe eto amin’ny firenena dia mandeha ny feo fa mba manomboka manao pi-maso amin’ny sehatra iraisampirenena ihany koa ireo antoko heverina ho madinika omban’ireo mety ho kandidany.
Azo antoka fa nisy dian-tanan’ny fianakaviambe iraisampirenena ny nanendrena ny praiminisitra vaovao ka ambadik’izany ny antoka mety hahafahan’ireo kandida heverina ho vaventy hilatsaka hofidiana filoham-pirenena na tsia. Tsiliam-baovao no nahafantarana fa mikaroka izay mety ho kandidan’ny marimaritra iraisan’izy ireo amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy eo. Olona izay azo sokajiana hoe tsy nisy nifandraisany mihitsy tamin’ireo fitondram-panjakana nifandimby teto, ary mazava ho azy fa mahay miresaka sy mifampiraharaha amin’ny sehatra iraisam-pirenena ary mora asongadina eo imason’ny vahoaka mpifidy rehefa raikitra ny propagandy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.