Raha hatopy any amin’ireo mpitondra telo nifanesy izay tombanana fa samy ho kandida ny fandinihana sy fampitahana amin’izao, dia hahafaha-mitsara an’i Marc Ravalomanana, Andry Rajoelina ary Hery Rajaonarimampianina ny nataony sy ny politika nampihariny ary ny ny firenen-dehibe mpiara-dia taminy tao anatin’izay.
Tafiditra ao anatin’izany ilay antsoina hoe “géo-politique” na ny fidirana an-tsehatry ny firenen-dehibe, izay mety ho hita taratra hatrany. Nanakaiky kokoa ny Amerikanina Ravalomanana, saingy tsy mba nitsabaka firy tamin’ny raharaham-pirenentsika ity firenen-dehibe ity. Nanome vahana ny toekarena tamin’ny politika lavitr’ezaka sy nitsinjo lavitra toy ny fanamboaran-dalana, ohatra, ka nahavitany 10 000 km latsaka kely tao anatin’ny fotoam-piasany. Tafakatra 7,1% ny harin-karena raha 6,8 ny tsara indrindra ho an’i Afrika manontolo. Nambara fa nanao ampihimamba teto amin’ny firenena satria niroborobo tanteraka ny orinasany, saingy nampiasa Malagasy an’aliny. Tamin’ny andron-dRajoelina kosa, dia niaraka tamin’ny Frantsay niampy ny politika somary sosialy ary nampilendalendaina tamin’ny vahaolana eo no ho eo, toy ny vary mora sy menaka mora ny vahoaka. Nanjaka ny aferafera sy ny fanondranana harem-pirenena, toy ny boaderozy. Tsy nahatsangana na orinasa iray monja aza mba hiasan’ny Malagasy, saingy nahavita nampamotika ny orinasa tamin’ny 2009. Ankehitriny dia efa hita nampidera ny vazaha be Frantsay tamin’ny fampahafantarana ilay vina IEM. Ho an-dRajaonarimampianina kosa, dia toa tsy hita be ihany izay tena fomba fiasa, fa sasatry ny milaza vina saingy ny fanatanterahana tsy misy. Somary nahazo vahana ny sinoa sy ny namany, ka dia io iaraha-mahita io ny fibodoana tany sy fitrandrahana harena etsy sy eroa. Mba efa mampiseho fa manana ny vahiny mpanohana azy ihany koa ny kandida hafa amin’izao, toa an’i Pasitera Mailhol, izay milaza fa tohanan’ny Rosianina, ary hiara-kitaky ireo nosy Eparsa eo an-tanànan’i Frantsa. Samy hampidera ny vazahany izany, ka dia ny vazaha no karazan’ny manao hazakaza-tsoavaly eto e !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.