Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny ofisim-pirenena momban’ny sarimihetsika Analakely na Omaci omaly ny fivoahan’ny sarimihetsika fanadihadiana mitondra ny lohateny hoe « Tsy ny vary no very fa i Madagasikara ».
Ny sabotsy no hivoaka anaty efitrano voalohany etsy amin’ny Scandal buffet Akorondrano ity sarimihetsika ity mialohan’ny andefasana azy etsy amin’ny Ritz Ambohidahy ny 28 jolay izao. Hitety faritra moa izany avy eo raha ny nambaran’ny mpikarakara. Raha ny fanazavan’ny mpilalao fototra anaty tantara, Eliana Bezaza, izay kandida ho filoham-pirenena atolotry ny antoko PSD, dia sarinteny entina hilazana fahaverezan-javatra maro ity lohateny ity ary tsy misy idiran’ny resaka politika fa ny mpanatontosa ny sarimihetsika mihitsy no nifidy azy ho mpilalao ao anatiny. Niainan’ny filoha Tsiranana tamin’ny taona 1972 sy 1973, hoy izy io, satria hitany ny faharavan’ny firenena taorian’ny korontana nandalo. Ninia niantsena tamin’ny harona gaoka mihitsy izy tamin’izay ary rehefa hitan’ny olona hoe very ny vary tao anatiny dia namaly ny filoha hoe tsy ny vary no very fa i Madagasikara. Maro tsinona, hoy izy, ireo kolontsaintsika very. 4 volana teo moa no nanatontosana ity sarimihetsika izay ahitana mpilalao manodidina ny 40 isa ity ary ny Ducker Image sy ny Voltage Production no namokatra azy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.