Miditra amin’ny herinandro faharoa sady farany ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana Ben’ny tanŕna manomboka anio. Manomboka miseho ny nafenina tao anatin’izay herinandro dila izay. Ny isany fotsiny no betsaka fa saika kandidan’ny fitondrana avokoa ireo mifaninana amin’i Lalao Ravalomanana.
Manaparitaka vato
Hanaparitaka vato no nandrotsahana azy ireo mba hahafahana mandefa ny kandida nambaran’ny antokon’ny fitondrana fa tohanany, ary izay no tsy dia mampiraika ny kandida sasany amin’ny fampielezan-kevitra. Na peta-drindrina aza tsy ataony tao anatin’izay iray volana izay. Iray sy valo izany ity fifaninanana ity, ary misy mitetika ny hanao angaredona an’i Neny Lalao Ravalomanana amin’ny fifanasana vangy sy resabe amin’ny haino aman-jery. Tsy tafiditra tao anatin’izay vovo izay i Lalao Ravalomanana. Manana paikady entiny mandresy lahatra ny mpifidy izy, ary tsy mba be resaka fa efa manao ny vava asa santatry ny hotanterahina rehefa mby tonga ao amin’ny Lapan’ny tanàna. Sahirana ireo mpifaninana aminy, ny zava-misy aza dia maka tahatra manao “kopi-kolé” ny ataon’i Neny indrindra rehefa sendra tsena. Manana tombony betsaka i Lalao Ravalomanana miohatra amin’ireo mpifanandrina aminy, hainy koa ny mametraka ny maha Reny azy. Mahay mihaino, mamaha olana avy hatrany, manao fandaminana sy fandrindrana. Mahalala tsara ny filan’Antananarivo rahateo izy hany ka matoky azy ny vahoaka fa izy no hany afaka hanarina an’ity renivohitr’i Madagasikara ity sy hitondra fampandrosoana ho an’ny mponina ao aminy. Io no tsy zakan’ny mpifanandrina sasany, indrindra ny mpitondra ka mihazakazaka manao sakantsakana sy antsojay. Farany teo izao dia ny nanakatonana ny haino aman-jerin’ny Kaominina dia ny Antananarivo Radio sy Antananarivo Televiziona. Tahotra an’i Neny avokoa no ao ambadik’izany, mba tsy hanomezana “micro” azy raha tonga ao amin’ny Lapan’ny tanàna. Mazava anefa ny tenin’i Neny fa ny miasa no manavanana azy sady efa betsaka izay resaka sy fifanasana vangy teto amin’ny tanàna izay saingy tsy nampandroso fa vao maika nampikoroso ny tanàna sy namotika ny fiarahamonina.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.