Efa nanambara hatrany ny antoko Teza, hoy ny filohany, Jean Louis Rakotoamboa fa tsy handray anjara amina fifidianana raha tsy voamboatra ny fitsipiky ny demokrasia eto amintsika.
Anisany ny lalàmpanorenana, ny lalàna mifehy ny serasera, ny lalàna mifehy ny antoko sy izay rehetra mifandraika amin’io tontolon’ny demokrasia io. Manameloka ireo izay mikiry handray anjara amin’ny fanatanterahana ny fifidianana izahay satria tompon’andraikitra amin’izay zavatra hitranga haterak’izany izy ireo. Ilaina ny fanorenana ifotony ary mankahery izay efa miroso amin’io fa halalino kosa ny adihevitra mba tsy ho vao mainka havesatra noho ny efa misy amin’izao ny rafitra. Nanamafy ny fangatahany ny amin’ny andraisan’ny miaramila sy ny sivily ny fitondrana mandritry ny 1 taona sy tapany ny teza ahafahan’ireo mpisehatra politika rehetra manova ireo fitsipiky ny demokrasia.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.