Politique

Kandidŕ amin’ny fanaovana propagandy Misy ho voafitaky ny hamaroan’ny olona manotrona


  • Talata 21 Jolay 2015

Mafotaka dia mafotaka ny famoriana vahoaka hanatrika ny fanazavan-kevitra ataon’ireo kandidŕ isan’isany amin’izao fiatrehana ny propagandy izao ankehitriny

 

. Samy manana ny fomba fiantsoany ny olona hanatrika ireny famoriam-bahoaka ireny ny kandidà tsirairay avy amin’izany. Ao ireo misioka tokana araka ny filaza fotsiny dia efa tonga ireo mpanohana azy manara-dia n’aiza n’aiza. Ao kosa ireo mampiasa mpikaraman’ady eny anivon’ny fokontany samihafa eny ka mamory olona amin’ny alalan’ny fanambazana azy ireo lelavola kely roa arivo na telo arivo ariary. Tonga tokoa ny olona fa sahirana ara-bola nefa mbola misy ihany koa ireo voafitaka fa hampiandrasina amin’ny fandoavam-bola karamany. Matetika aza, raha ny zava-misy tsikaritra tao ho ao, dia zaza tsy feno taona afaka hifidy akory no tonga mameno ny toerana hivoriana. Azo ambara fa tena voafitaka ankitsirano izao ireo kandidà amin’izany hamaroan’ny olona hitany izany nefa olona tsy afaka handatsa-bato ho azy akory ny ankamaroany.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT