Omaly alatsinainy 16 jolay no natao tetsy amin’ny Episcopat Antanimena ny fanaovan-tsonia fifanarahana fiaraha-miasa amin’ny KMF/KNOE sy ny Komisiona Episkopaly JUSTICE ET PAIX (JEP).
Ankoatra ny fanabeazana ny olom-pirenena dia hanambatra ny fahaiza-manaony amin’ny fiatrehana ny fifidianana izy ireo. Tsiahivina fa efa nisy ihany fiaraha-miasa taloha indrindra tamin’ireny resaka Consortium tamin’ny taona 2001 ireny. Niara-niaiky ny roa tonta fa mety raha averina ny fiaraha-miasa ary atambatra ny hery mba hahazo vokatra tsara amin’ny fanaraha-maso akaiky ny fifidianana. Fifidianana mangarahara, marina ary eken’ny rehetra no filamatra mba ho tombontsoan’ny vahoaka. Hisy ny fifanakalozana sy fifamenoana traikefa amin’ireo mpikambana amin’ny an-daniny sy an-kilany ary ezahina ny fandrakofana tanteraka an’i Madagasikara amin’ireo solontenan’izy ireo. Hamoaka ny tatitra sy ny vokatry ny fanaraha-maso moa izy ireo mba hisian’ny mangarahara sy ny fitokisan’ny rehetra ny amin’ny zotram-pifidianana.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.