Politique

Jeneraly Jean Ravelonarivo Kandida filoham-pirenena ihany koa


  • Sabotsy 23 Jona 2018

Omaly zoma 22 jona no nanao fanambarana tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny trano fonenany Mandrosoa Ivato ny maha kandida azy amin’ny fifidiana ho filoham-pirenena ny praiministra teo aloha Jean Ravelonarivo.

 

 Nambarany fa ny fikatsahana ny tombotsoan’ny vahoaka no mahamaika ary izay no nahatonga azy handray izao fanapahan-kevitra izao. Nilaza ihany koa ity Jeneralin’ny tafika ana habakabaka ity  fa hanao ho laharam-pahamehana ny fampandrosoana hialana haingana amin’izao krizy sy fahantrana lalina misy eto Madagasikara izao. Tsiahivina moa fa ny Antokom-Bahoaka Malagasy (ABA) sy ny fikambanana MAdagasikara an’i Malagasy TSIrairay (MA.MA.TSI.), izay izy no filoham-boninahitra, no antoko Politika misy azy. Hatramin’izay nialako tao amin’ny governemanta dia niezaka ny nangina aho ary tsy mbola fotoana hitenenana sy hanakianana ny governemanta izao fa mbola ho avy ny hanaovana izany hoy ihany izy. Nisy ny asa vita araka ny nambarany tamin’ny fotoana naha-lehiben’ny govrnemanta azy indrindra tamin’ny sehatry ny ady amin’ny kolikoly sy ny tsy fandriam-pahalemana. Nampatsiahy i Jean Ravelonarivo fa rehefa nandray ny andraikitra ny maha-praiminisitra dia faha-146 ny laharan’i Madagasikara tamin’ny ady amin’ny kolikoly. Lasa faha-121 ny firenena Malagasy noho ny ezaka natao ary nihemotra faha 166 indray rehefa tsy teo intsony izy. Nnambarany ihany koa fa tsy nisy izany asa fakana an-keriny izany nandritra ny naha-praiminisitra azy.

Tsiry

 

 

 

.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT