Politique

Jean Omer Beriziky Kandidan’ny “Grand Nord”


  • Alatsinainy 09 Jolay 2018

Iray amin’ireo kandida hirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena ny praiminisitra teo aloha Jean Omer Beriziky, araka ny fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy teo teny amin’ny Villa La Franchise Ivandry, fonenan’i Pr Zafy Albert fahavelony.

Ny vovonana politika Soa Iombonana izay nambara fa ahitana antoko politika maro no nandrotsaka azy.  Somary nampahatsiahy tantara i Jean Omer Beriziky, ka mahatsiaro fa lova sarobidy ny napetrak’i Pr Zafy Albert, ary io tokantranony io, dia loharano nipoiran'ny demokrasia sy ny fitiavan-tanindrazana tena izy. Nahitana filoha tsy nitady afa tsy ny soa iombonana, ka nanaiky am-pahatsorana ny fanesorana tsy an-drariny teo amin’ny fahefana nomen’ny vahoaka azy.  Modely fakantahaka ho anay izy, ary manana adidy masina  izahay taizany. Isika rehetra tsara sitrapo ihany koa, dia manana adidy masina hotanterahina amin’ny mpiray Tanindrazana, hoy hatrany ny kandida Omer Beriziky. Voalohany ny Fanorenana Ifotony sy ny fampihavanam-pirenena nimatimatesan’ny Pr Zafy Albert, ka nampijoro azy ireo ao amin’ny antoko UNDD (Union nationale pour la démocratie et le développement ) sy HFI (Hetsika Fanorenana Ifotony). Na kandida aza izy dia nanakiana mafy ny amboletra amin’ny fomba hoenti-manao ny fifidianana. Tokony ho niarahan'ny rehetra ny datim-pifidianana, raha ny nambarany. Na raiamandreny am-panahy, toy ny FFKM, firaisamonim-pirenena aza toa tsy nohenoina sy nakana hevitra, hoy izy. Atao takalon'aina hahazoana toerana ny mpifidy ohatra ny nanaovana ny mpitolona teny amin’ny 13 mey, ka amiko tsy azo ekena intsony izany fa hijoro isika, hijoro aho fa tsy maintsy omena safidy malalaka ny vahoaka. Mety tsy ho tomombana araka ny tokony ho izy ny fifidianana noho ireo antony maro, saingy amin’ny maha mpandala ny demokrasia ahy dia tsy mandrara velively ny hisian'ny fifidianana aho, ka tapa-kevitra ary ambarako fa vonona hirotsaka hofidiana filoham-pirenena aho, hoy izy.Maro no mihevitra fa tsy tongatonga ho azy izao filatsahan-kofidian’i Omer Beriziky izao fa efa nosaintsiainina tsara ary heverina fa izy ilay kandidan’ny marimaritra iraisana ho an’iny tapany avaratry ny Nosy iny na ny “Grand Nord” araka ny vaombolana efa re matetika ao anatin’ny fanaovana politika eto Madagasikara.Andrasana aorian’izao indray ny fipoiran’ny kandida ho an’ny fivondronan’ny tapany atsimonin’ny nosy na ny “Grand Sud” izay efa resaka nandeha hatry ny ela ihany koa.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT