Tsy nampiala ny filoham-pirenena tamin’ny toerany ny fitoriana «mise en accusation de déchéance» nataon’ny solombavambahoaka maro an’isa teny amin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana
. Tsy nahomby ihany koa ny dinika nataon’ireo solombavambahoaka niaraka tamin’ny Filoha Hery Rajaonarimampianina mikasika ny «Pacte de responsabilité» amin’ny mety hiaraha-mitantana ny firenena eo amin’ny mpitory sy ny toriana. Tsy nahovoka ny fifidianana fitsipaham-pitokisana natao tamin’ny praiminisitra. Iza indray no haongana mba hanomezana fahafaham-po ireo izay efa tena leo ny zava-misy ka mitady fiovam-pitantanana ?
Hatao ambasadaoro
Rehefa nandinika sy nisaina lalina ireo mpanao politika isan-tokony mpibaiko ny fiainan’ny vahoaka dia nahita fa Atoa Jean Max Rakotomamonjy no tsy mahay ny asany ka tokony hiala amin’ny toerany. Ny vaovao mandeha dia vonona ny hametra-pialana io filohan’ny Antenimieram-pirenena io na anio aza fa ny hiriany dia ny hatao ambasadaoro any ivelany. Tsy manome ireo fanazavana ireo izy tompontena fa ny solombavambahoaka manodidina azy no andrenesam-peo. Anisan’ny tena heloka anenjehana ity tompon’andraikitra ambony ity ny tsy nahafehezany ireo depiote avy ao amin’ny antoko Leader Fanilo miisa dimy izay tantanany ihany koa. Hilamina amin’izay ve ny raharaha raha hiongana io mpitondra ambony io ?
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.