Politique

Jean Eric Rakotoarisoa « Tsy ny HCC mihitsy no hanakorontana eto »


  • Talata 10 Jolay 2018

Vonona hanatanteraka ny anjara andraikiny amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana (HCC) raha araka ny nambaran’ny filohany Jean Eric Rakotoarisoa omaly.

Tsy mitombina ary tena tsy lojika ny ahiahy hoy izy hoe hitanila amin’ny governemanta ny HCC rehefa mandeha ny fifidianana.Tsy izahay namoaka fanapahan-kevitra mba hahafahana miroso mankany amin’ny fitoniana indray no hanakorontana eto, hoy izy.Tsy ny HCC na ny CENI sy ny governemanta irery no hiasa hampalavorary ny fifidianana fa isika Malagasy rehetra, hoy hatrany i Jean Eric Rakotoarisoa ; mila tena miezaka isika , hoy izy fa mba mahamenatra ihany hoe 60 taona nahaleotana kanefa tsy mety tena mahavita fifidianana milamina, madio sy mangarahara.MIkasika izay fifidianana izay indrindra dia fantatra izao fa ny 1 ka hatramin’ny 21 aogositra 2018 ny fe-potoana hahafahan’ireo mikasa ny hirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena mametraka ny dosieny, raha ny fanambaran’ny eo anivon’ny Fitsarana Avo momba Lalàmpanorenana na ny HCC. Ny 26 aogositra kosa no hivoaka ny lisitra ofisialin’ireo kandida ary mety hivoaka eo ny laharan’ny kandida tsirairay. Ny fampielezan-kevitra kosa dia manomboka ny 8 oktobra 2018 amin`ny 6 ora maraina ary mifarana ny 6 novambra 2018 amin`ny 12 ora alina. Tsy miova kosa ny vola antoka tsy maintsy harotsaka dia 50 tapitrisa ariary isaky ny kandida.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT