Rehefa vita ny fifidianana dia anisan’ny raharaha miandry ny fanjakana indrindra fa ny governemanta ny fandinihana ny tetibola nasiam-panitsiana.
Ny fanotaniana lehibe tena mipetraka dia ny hoe hanao ahoana no mety ho fifanatrehan’ny governemanta sy ny depiote izay handany izany tetibola nasiam-panovana izany tao aorian’iny fitsipaham-pitokisana ny Praiminisitra tsy nahomby farany teo iny ? Marihina mantsy fa na tsy nahomby izy iny dia tsy azo hodian-tsy hita fa Solombavambahoaka 95 be izao no efa mitsipaka ny praiminisitra. Ity farany moa raha nanontaniana dia tsotra ny valiteniny nanao hoe : “ho hita eo” fa ny mpiara-miasa aminy sasany kosa no nandefa resaka fa “mety efa ho rava alohan’ny hiakaran’ny praiminisitra ny lapan’i Tsimbazaza ny Antenimieram-pirenana”. Misy kosa ireo Solombavambahoaka mihevitra fa ny fanovana ny praiminisitra sy ny mpikambana ao amin’ny governemanta noho ny fampiharana ny “pacte de responsabilité” no mety ho lasa aloha.Ho hita eo izay ho rava aloha e !
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.