Mitohy ny fankalazana ny faha-40 taonan’ny FIZAFATO (FIkambanan’ny ZAnaky ny FAritany Toliara), ka ny sabotsy 28 jolay izao ny fihaonambe hiaraha-mifaly amin’ny mpikambana rehetra tsy ankanavaka ao amin’ny ANS Ampefiloha, hoy ny mpandrindra ny hetsika dia Atoa Guy Laureny Ramanankamonjy. Manasa ny zanaky ny faritanin’ny Toliara tsy ankanavaka izy izy ireo.
Hitarika ny fety aman-danonana ny Filoham-boninahitry ny fikambanana, sady mbola filoha voafidy ara-dalàna amin’izao fotoana izao, dia ny Minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra Maharante Jean de Dieu. Nisy moa ny fanambarana nataona andian’olona milaza ho mpikambana, ary misy ny mitaky ny fialan`ny filoha. Fanakorontanana ary tsy olona avy ao anatin`ny fikambanana no nampiely izany, hoy kosa ireo birao ara-dalàna. Araka ny nambaran`I Nakany Charly, filoha lefitry ny FIZAFATO mantsy dia finiavana hanakorontana sy hampizarazarana ny mpikambana tsotr`izao izany. Mampitandrina ireo olona izay minia manohy izany fanakorontana izany izy ireo. Tsy mivaky ny FIZAFATO na misy aza ny fiezahana hanakorontana, ary tokana satria tsy mbola nisy mpikambana nametram-pialana ihany koa. Tsy azo esorina amin`ny toerany ihany koa ny filohany raha tsy tapitra ny fe-potoana iasany ary amin`ny fifidianana ihany no hifidianana hisafidianana izay hisolo azy. Misy fitsipika ihany koa, dia ny hoe: tsy maintsy amin`ny anaran`ny mpikambana no afahana manao fanambarana. Vonona hampandroso an’i Toliara eo amin’ny lafiny ara-toekarena sy ara-tsosialy ny FIZAFATO, ary reharehan’I Toliara io fikambanana io. Nivoitra fa tsy manao politika ny FIZAFATO ary tsy misy idiran`ny politika ny maha mpikambana kanefa dia heverina ho misy ambadika politika ny fanambarana sy fanakorontanana hafahafa mandeha.
Marigny A. sy Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.